<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>482</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Jehovah ô ! Hianao nandinika
 ahy,
 Ka fantatrao ny toe-piainako ;
 Ny fo sy saina mbamin'ny
 fanahy
 Tsy miafina aminao, ry
 Tompoko !

[V2]
 Ka na mipetraka aho, na
 mandeha
 Izay rehetra ataoko hitanao,
 He, fantatrao ny lalana haleha,
 Ny androko dia eo an-tananao.

[V3]
 Na velona aho, eny, maty aza,
 Ny tenako dia eo imasonao,
 Ka toerana aiza, lalana
 mankaiza
 No hialako tsy ho hitanao ?

[V4]
 Ry Tompo ! tena mahagaga
 loatra
 Ny asanao sy ny fisainanao ;
 Tsy misy saina mety
 mahatratra
 Ny fahendrenao sy ny herinao.

[V5]
 Izao no hany zavatra iriko ;
 Velaro indrindra ny fitiavanao,
 Hahaizako hametraka ny foko
 Hionona eo am-pelatananao.</lyrics>
<title>Jehovah o! Hianao FFPM482</title>
</song>